Mikorontana tanteraka ny lalambarotra eto amintsika izay mbola anjakan’ny tsy fanarahan-dalàna koa.
Raha ny tokony ho izy dia miainga avy any amin’ny orinasa mpamokatra sy ny mpanafatra ny entana dia mandalo amin’ny mpamongady izay vao mifarana eny amin’ny mpaninjara eny an-tsena. Raha ny zava-misy ankehitriny anefa dia saika maka entana avy hatrany any amin’ireo mpandraharaha mpamokatra sy mpanafatra ny ankamaroan’ireo mpaninjara mba hahazoana fihenam-bidy betsaka kokoa. Ireo mpivarotra amin’ny tsena tantanan’ny Kaominina sisa no maka vatsy any amin’ny mpamongady, araka ny fitarainana nataon’ny fikambanan’ny mpamongady matihanina mivondrona ao amin’ny CGPM tamin’ny Tale jeneralin’ny hetra sy Tale jeneraly misahana ny varotra omaly teny Antaninarenina.
Mbola mamono ny tsenan’izy ireo koa, raha ny fitarainany ihany, ny fisian’ireo «demi-grossistes» sy superdétaillants». «Ho foana tsy hisy intsony izahay mpamongady raha izao no mitohy», hoy Rasolonjatovo Honoré, filohan’ny CGPM. Ao anatin’ny fanavaozana tanteraka moa ny sampandraharahan’ny hetra ankehitriny ka anisan’ny fepetra ampiharina ny fisavana ny fananan’ny mpandraharaha rehetra faktiora amin’ny entana vidiany. Eny an-dalana mandritra ny fitaterana ny entana ka hatreny an-tsena no anaovana ny fanaraha-maso ny faktiora. Vao mainka mahatsiaro tena ho lasibatra manokana amin’io fepetra io koa anefa ireo mpamongady izay zatra nampiasa ny «bon de commande» hatrizay. «Manahy ny tenako fa hikorontana ny famatsiana entana raha mampihatra io fepetra io ny sampandraharahan’ny hetra». Nanamafy ny fampiharana azy avy hatrany anefa i Tazafy Armand, Talen’ny sampandraharahan’ny hetra izay nilaza fa anisan’ny fepetra iadiana sy hanafoanana ireo tsy mpanara-dalàna izy io. «Tsy azo ialana mihitsy io saingy ny fanamaivanana ny sazy no azo atao », hoy izy.
Marihina fa ny 20 ka hatramin’ny 40%-n’ny entana vidiana ihany no ananan’ny tompony faktiora. Ny fananana faktiora moa dia midika fa nandoavana TVA ny entana ka tsy mahagaga raha maro no miezaka mitsoaka azy sao hakana ilay 20% arotsaka any amin’ny kitapombolam-panjakana. Fangatahana fahatelo naroson’ny mpamongady tamin’ny fitondram-panjakana koa ny fanafoanana ny fanaraha-maso ny hetra izay matetika loatra mandritra ny tetezamita sy ny hanombohana ny fandiovana ity sehatra ity amin’ireo mpamokatra sy mpanafatra entana aloha vao midina tsikelikely. Nitsipaka marindrano izany avy hatrany anefa ny solontenan’ireto farany nandritra ny dinika. Mitovy hevitra amin’izay koa ny fanjakana. Hany fiononana ho an’ireo mpamongady nahitana ny CGPM, ny Sim, ny Fivmpama ny fanafoanana ireo «demi–grossistes» sy «superdétaillants».
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.