Actualités

Mikatso ny fampianarana Nidina an-dalambe ireo mpianatry ny lycée


  • Alakamisy 03 Mey 2012

Mivoatra isan’andro ny raharaha momba ny fiatoan’ny fampianarana. Nihafaingana ny fitaran’ny fitokonana ataon’ny mpampianatra hatramin’ny nidiran’ny mpanabe avy eto an-drenivohitra an-tsehatra nanampy isa ireo namany avy amin’ny SEMPAMA manerana ny Nosy.

 Efa tsy misy fampianarana intsony amin’ireo sekolim-panjakana eto Antananarivo tao anatin’ny roa herinandro izao. Manahy ny hoaviny koa ireo mpianatra manoloana ny tsy fisian’ny vahaolana taorian’ny fihaonan’ny solontenan’ny SEMPANA tamin’ny minisitry ny tetibola ny zoma lasa teo. Nidina an-dalambe nanomboka omaly ireo mpianatry ny lycée ka ireo mpianatry ny LTI Alarobia no tompon-kevitra. Rehefa nifandresy lahatra izy ireo ny maraina dia nanapa-kevitra fa horavana avokoa ny lycée teknika rehetra eto an-drenivohitra. Tamin’ny 7 ora no nanainga izy ireo miaraka amin’ny sorabaventy sy ny kiririoka ka nihazo ny lycée Rabearivelo naka ireo mpianatra tao an-toerana. Nirohotra teny amin’ny lycée teknika Mahamasina indray avy eo ary teny amin’ny LTC Ampefiloha ny farany ny antoandro.

Rehefa vita izany dia nirohotra nankeo anoloan’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena ireo mpianatra niantso ny fanjakana hamaha ny olan’ny fampianarana. Efa nihidy avokoa ireo vavahady roa tamin’ny fotoana nigadonany teny an-toerana izay nambenan’ny mpitandro ny filaminana avy ao anatiny. Noredonin’ireo mpianatra kosa ny “Ô i Ô te hianatra izahay !” izay narahan’ny siotsioka. Ny finiavana hianatra no manetsika ireo mpianatra nanao fihetsiketsehana saingy mizarazara kosa ny heviny momba ny fitokonan’ny SEMPAMA. Misy ny milaza fa mandoa saram-pianarana ana hetsiny izy ireo ka tokony haverina ny volany rehefa tsy hampianatra ny mpampianatra. Manohana ny SEMPAMA kosa ny ankamaroany izay nilaza fa tokony homena ny karaman’ny mpampianatra mba hiverenan’izy ireo miasa indray.

Milaza ny tsy hampijanona ny hetsika ataony ireo mpianatra ireo raha tsy voavaha ity olana ity ka haka hatrany ireo mpianatra eny anivon’ny lycée izy ireo isan’andro. Samy manana ny heviny koa ry zareo momba ny fitazonana ny datim-panadinana bakalôrea. Misy mantsy ny andiany milaza fa tsy ekena ny fanemorana ny bakalôrea raha misy koa ny manohana izany satria mbola lavitra ezaka ny famitana ny fandaharam-pianarana. Efa tsy hisy rahateo ny BEP manomboka amin’ny talata izao, hoy izy ireo. Tamin’ny mitatao vovonana no tapitra ny hetsik’ireto mpianatry ny lycée ireto izay tsy nosakanan’ny mpitandro ny filaminana no sady tsy nisy fanimbana fananam-bahoaka koa. Marihina fa teo amin’ny LMA tsy lavitra ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena no nanatanteraka ny hetsika fanaony isan’andro ny SEMPAMA.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT