Nifandrombaka nividy lamba atao sainam-pirenena ny tao Ambatondrazaka ny talata 5 jolay teo.
Niely mantsy ny feo fa misava ireo trano izay tsy misy saina ny miaramila ka tifirin’izy ireo izay tsy manana saina. Samy nikoropaka nanangana saina avokoa ny olona naheno ity feo niely ity. Vao maraina dia efa nitandahatra tao amin’ny toerana fivarotana lamba ny olona. 500 ariary no hividianana ny ravindamba iray izany hoe 1500 ariary ny vidin’ny ravin-damba mahavita saina, 1000 ariary kosa no manjaitra ilay izy.
Vetivety foana dia feno saina nitsangana ny ankamaroan’ny tanàna tao Ambatondrazaka. Fantatra fa nialoha ny fetin’ny 26 jona dia nisy ny fanentanana somary mahery vaika nataon’ireo miaramila DAS ireo tany Andingadingana, izay mahakasika ny fananganan-tsaina, ka ireo mponina ireo indray no nilaza tamin’ny fianakaviany tany Ambatondrazaka fa hoe : misava olona izay tsy manangan-tsaina ny (DAS) ka ireo izay tratra dia ataony mitondra faisana. Mihorohoro, araka izany, Ambatondrazaka sy ireo tanàna manodidina azy amin’izao fotoana izao. Omaly alarobia dia nampiantso mpanao gazety ny lehiben’ny Distrika niaraka tamin’ny OMC Distrikan’Ambatondrazaka izay nahitana ny avy amin’ny zandarimariam-pirenena sy ny polisy ary ny lehiben’ny miaramila (DAS) ny kolonely Razafimaro Jules. Tamin’izany no nanambaran’izy ireo fa “fanakorontanana saim-bahoaka fotsiny io resaka fananganan-tsaina io ka tokony ho tony ny vahoaka”. Nambaran’ny kolonely Razafimaro Jules fa “amin’ny maha olom-pirenena ny miaramila no nanaovany fanentanana momba ny fananganan-tsaina nandritra ny fetim-pirenena. Efa vita iny ny fetim-pirenena ka raisina ho toy ny mpamafy lainga ireo izay milaza fa tokony hanangan-tsaina. Fitaovana natao hanenjika ny dahalo ny miaramila ka tsy tokony hatahotra ny vahoaka”, hoy izy. Betsaka ny dahalo koa mangataka fiaraha-miasa amin’ny mponina manerana ny faritra Alaotra izy ireo.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.