Actualités

Mihemotra ny 01 febroary ny fitsarana Tsy hamelan’ny Afrikanina Tatsimo ireo 3 lahy


  • Alarobia 13 Janoary 2021

Nahemotra ho amin’ny 01 febroary 2021 any Johannesburg ny raharaham-

 

 

 

 

pitsarana ireo telolahy tokony natao omaly 12 janoary. Heloka momba ny fampidirana entana an-tsokosoko sy tsy ara-dalàna (Contrebande) sy famotsiam-bola no hanenjehana azy ireo, hoy ny Tale Jeneralin’ny Fadin-tseranana tamin’ny fanambarana nataon’izy ireo omaly. Mbola tazonina any an-toerana izy ireo hatreto mazava ho azy izy ireo, ary tsy nahomby ny fandresen-dahatra nataon’ireo iraky ny Fanjakana Malagasy momba ny famerenana ny volamena 73,5 kg sy ireo 3 lahy mba ho tsaraina aty Madagasikara, raha toa ka nilaza ny Minisitry ny Fitsarana Malagasy ny 7 janoary fa atao izay hamerenana azy ireo eto mialohan’ny 12 janoary. Andrasana izay mety ho fivoarany hatramin’ny 01 febroary izany. Ho sarotsarotra ny hisian’ny famotsorana sy fanolorana azy ireo amin’ny Fanjakana Malagasy, ary marihina fa ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena amin’ny lafiny ara-keloka dia manaja ny fiandrianam-pirenena satria ny firenena tsirairay dia afaka manaiky na mandà ireo fangatahana fifanampiana ara-pitsarana na fanolorana olona enjehina ara-pitsarana amina firenena hafa, raha ny fanazavana efa nentin’ny Fitsarana Malagasy rahateo.

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT