Feno ankehitriny ny fepetra ahafahana manambara ny "état de sinistre national". Noraisina teo anivon'ny Filankevitry ny Governemanta ny didim-panjakana manambara izany omaly 27 janoary 2021.
Ho fiatrehana ny fanarenana ny simba rehetra sy ho fanatsarana ny fandraisana an-tanana ireo traboina dia nambara ny hirosoana ny fampiasana ny famatsiam-bola efa nosoniavin'ny Fanjakana Malagasy sy ny Banky Iraisam-pirenana izay nahazoana famatsiam-bola 50 tapitrisa dolara ahafahana miatrika ny loza voajanahary, hoy ny Fanjakana. Mbola misy eo ho eo amin'ny 35 tapitrisa dolara amin'izany mbola afaka hampiasaina ankehitriny saingy mila manaraka ny antanan-tohatra hahafahana mamoaka izany famatsiam-bola izany, hoy hatrany ny mpitondra. Mba hirosoana amin'izany, nentanina ireo Minisitera tsirairay avy hiroso amin'ny fanaovana tombana amin'ny antsipiriany ireo takaitra na ny "évaluation détaillée des dégâts" mifandraika amin'ny sehatra tantanan'izy ireo. Nanterin'ny Filoham-pirenena tamin'ireo Minisitra rehetra fa ilaina ny fahaizana manao fandrindran'asa (coordination) sy fanehoana fahaiza-mitarika (leadership) ary ny fahaizana mandamina (organisation) amin'ny fiatrehana izao krizy izao. Hamafisina sy hiompana bebe kokoa amin'ny lafiny ara-tsosialy ny fanarenana ny zava-misy taorian'ny fandalovan'ny andro ratsy teto Madagasikara. Ireo mponina traboina sahirana rehetra any amin'ireo faritra rehetra izay voakasik'iny voina iny, dia omena Tosika Fameno avokoa. Hafainganina ihany koa ny fanaovana kara-pokontany "digitalisés" ho an'ireo faritra niharan'ny tondra-drano hahazoan izy ireo izany fanampiana izany. Apetraka haingana ny planina fizarana ny Vatsy Tsinjo sy Tosika Fameno eto Antananarivo sy any amin'ny Faritra niharam-boina, araka ny tatitra. Hojerena manokana izay fomba sy fitaovana rehetra hanampiana ireo olona rehetra traboina amin'ny fanarenana ny tranon'izy ireo izay simba. Hojerena ny hahafahana manampy ireo traboina ara-pitaovana. Hisy ny études" na fandinihana mikasika ny famoronana asa sy fametrahana tetikady mikasika ny fanomezana toeram-ponenana vaovao na "stratégie de relogement". Ambina fanampiana Iraisampirenena teo aloha izany ity? Handeha indray izany ny fanaovana fitaovana ny volam-panjakana hampalazana tena ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.