Namoy ny ainy ny marainan’ny sabotsy teo ny namana mpanao gazety ao Fianarantsoa, Tiana Rakotoarimanana. Raha ny fampitam-baovao voaray dia tsy nahatsiaro tena izy hatramin'ny
nidirany hopitaly satria novelesin'ny jiolahy tao amin'ny hatony sy ny masony havia. Mety ho hazo misy fantsika na ihany koa mety ho vy no nikapohan'ireo tsy mataho-tody azy. nahitana tataka tao amin'ny hatony. Ny talata hariva, teo anelanelan'ny tamin'ny 7:30 sy 8 ora no nisy nahita nitsirara teny akaikin'ny tranon'olona ity mpanao gazety ity. Izy mitaraina mafy no nahatonga ny olona taitra, ka nitondra azy tany amin'ny hopitaly. Araka ny fanadihadiana, ankoatra ny asa fanaovan-gazety, dia miompy akoho manatody lava ihany koa izy. Avy naka vidim-bokatra ka an-dalana hody izy no izao novonoin'ny jiolahy izao. Mipetraka eny Ampitakely i Tiana Rakotoarimanana. 2 volana lasa izay, nahazo fampiomanana tamin'ny jiolahy ny iray fokontany fa ho avy hanafika izy ireo. Nampandre polisy ny olona ka efa nandrasana izay higadonany. Tonga tokoa ireo jiolahy, saingy tsy nitsitsy azy ireo ny polisy. Raikitra ny fifandonana. Lavo ny iray tamin'ireo olon-dratsy. Nanao vava indray izy ireo, nilaza fa «1 no matinareo, izahay kosa tsy maintsy hamono 4 aminareo». Tamin'ity volana ity ihany dia olona niisa 4 tokoa izany izao lavon'izy ireo. Mbola misy mpivarotra legioma 1 maratra mafy any amin'ny hopitaly. Vao tamin'ny faran'ny herinandro teo no nahasambotra jiolahy miisa 7 ny polisy. Efa nihaiky heloka ny 2 kanefa nahazo fahafahana vonjimaika izy ireo rehefa niakatra fampanoavana. Niteraka resa-be izany ary tsy nahafaly ny vahoaka iharan'ny vono sy namoy havana, raha ny fampitam-baovao hatrany. Mirary fihononana feno ho an'ny fianakaviana sy akaiky an’I Tiana Rakotoarimanana rehetra ny gazety Tia tanindrazana. Mankahery antsika mpanao gazety ihany koa fa mihatra aman'aina ny adidintsika.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.