«Mihaino ny Vahoaka Malagasy»

> Fanadihadiana ny fiainam-bahoaka an-telefaonina


  • Sabotsy 15 Martsa 2014

Hanatanteraka fanadihadiana momba ny fiainam-bahoaka amin’ny sehatry ny fanabeazana, fahasalamana, ny asa, ny fahafahany manao findramam-bola madinika ary mazava ho azy ny olana mianjady aminy ny sampandraharaha misahana ny antontanisa miara-miasa amin’ny PGDI 2 ary ny “Human Network International”.

Miavaka anefa ity fanadihadiana ity satria tsy misy ny fitetezan-trano tahaka ny mahazatra fa amin’ny alalan’ny antso an-tariby no akana ny hevitry ny tsirairay. Tsy misy ny fisafidianana faritra manokana fa izay laharana voasafidy no antsoina na aiza na aiza toerana misy ilay olona. Tsy misy fijerena saranga na asa koa io. Olona miisa 2.000 no halaina ny heviny amin’ny alalan’ny «Mihaino ny Vahoaka Malagasy». Araka izany dia telefaonina finday sy ireny “tablette” ireny no fitaovana ampiasain’ireo mpanao fanadihadiana. Misy karazany roa kosa ny fomba fakana hevitra. Na ilay olona mandray antso no anontaniana ny heviny momba ireo lohahevitra voalaza etsy ambony saingy ny tenany ihany no resahany na asaina mamaly ny zava-misy eo anivon’ny tokantranony izy. Mihevitra moa ireo mpikarakara ny fanadihadiana fa manamora kokoa ny fanarahana izay fivoaran’ny fari-piainan’ireo olona nanontaniana ny fampiasana ny teknolojia vaovao. Heverina fa hanampy ny fanjakana hanana antontan-kevitra miraikitra ny fiainan’ny olona, ny olany ka ahafahana manitsy ny fandaharanasa ho an’ny vahoaka izao fanadihadiana izao. Etsy an-kilany anefa dia mampametra-panontaniana ny tena fahombiazany satria vitsy dia vitsy ireo olona hadihadiana sady tsy mahasolo tena ny faritra misy azy. Samy hafa mihitsy mantsy ny zava-misy iainan’ny mponina an-drenivohitra sy ambanivohitra. Ankoatra izay dia samy manana ny mampiavaka azy koa ny tsirairay.

 Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakĂ na

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT