Actualités

Miha reraka i ZOTO Fa inona marina no tena tanjony ?


  • Talata 14 Desambra 2021

Ny mpanakanto Barinjaka no nitatitra omaly tao amin’ny tambazotra facebook hoe : “ an-dalana ho any Ramena Midongy atsimo hanao fampisehoana aho no nifanena tamin’ity rangahy ity (Zoto),

 ary toa hoe handeha any Fort Dauphin izy” . Hita tamin’ny sary i Zoto sy vehivavy iray, manaporofo ity sombim-baovao ity fa mbola manohy ny dian-tongotra mitety faritra izany ity rangahy ity.Efa hita anefa izy fa reraka ary tsy tahaka ny tamin’ny herintaona na roa taona lasa intsony.Misy zavatra mibontsina sy toa miloko fotsy izany ny tanany sy ny tongony.Ary ny tena manaitra dia izy toa manao tatinono izany, toa vehivavy.Maro no nanomboka nanontany tena hoe fa ao tsara ve i Zoto; raha tsorina dia hoe : mbola salama saina tsara ve ? Satria hafahafa raha ny fahitana azy, ny fiakanjony ny fomba firesany… Inona marina no manosika azy handeha an-tongotra mandrera-tena mitety faritra io ary efa hita hoe tena reraka ? Sao dia tokony ho jeren’ny tompon’andraikitra sy ny manampahefana sao efa mitranga ny loza vao samy hikorpaka daholo sy hifanome tsiny indray.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT