Actualités

Midingin-drambo ny Sinoa Mangina tanteraka ny fanjakana


  • Alarobia 03 Aogositra 2016

Somary nangingina raharaha Soamahamanina. Mitohy kosa ny fanjakazakan’ ny sinoa any amin’ny faritra hafa.

 

 Mitaraina ny mponina any Beanana distrikan’Amparafaravola satria lasan’ny sinoa avokoa ny tanimbary an-jatony hektara, ny tanimboly, hatramin’ny tanety aza ripaka fa hoe hitrandrahan’ny sinoa kraoma.  Andro  vitsy izay ny mponina eny Fiakarana, kaominina Anosiala,  distrikan’Ambohidratrimo no nitsangana nanohitra ny fitrandrahana vato ataon'ny orinasa sinoa CHEC. Sady tsy manaja ny zon'olombelona ny fitrandrahana ataon'ilay orinasa no mamotika ny tontolo iainana, indrindra fa ny tanimboly sy ny voly raha ny ambaran'ny vahoaka. Mangina kosa ny fitondrana manoloana izany. Ny fanjakana no manana fahefana feno hampitsahatra ny fanjakazakan’ny sinoa saingy tsy misy izany hatreto. Toa manaporofo ny ahiahin’ny vahoaka ny zava-misy fa ny fanjakana ihany no ao ambadik’ireo sinoa mihetraketraka. Raha ny feo mandeha dia mikaroka vola be ny fanjakana mba hamitana ireo trano handraisana ny fivoriana an-tampon’ny Frankofonia izay mikatso tanteraka ka hanomezana vahana ny sinoa noho izy ireo mampidi-bola ho an’ny fanjakana.

                                                                               Toky  R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT