Actualités

Microsoft Tonga ny vokatra vaovao


  • Alarobia 20 Martsa 2013

Namoaka vokatra vaovao indray ny Microsoft. Nampahafantarina tamim-pomba ofisialy omaly ny fisian’ny vokatra “Office 213” izay natokana ho an’ny orinasa sy ny “Office 365” izay azon’ny mpanjifa rehetra ampiasaina.

 Mampiavaka ity vokatra farany ity ny fahafahana mampiasa azy amina solosaina miisa dimy amin’ny fotoana iray. Azo atao ihany koa ny mampiasa azy amin’ny finday entin-tanana, ny solosaina entin-tanana, ny tablette … Tombony ho an’ireo mpanjifa amin’ny fampiasana azy ny fanamaivanana ny fahasahiranana amin’ny fitondrana fitaovana maro satria dia amin’ny alalan’ny finday entin-tanana fotsiny, araka ny fanazavan-dRakotondrainibe Carole, dia hita sy azo avokoa ny dosie rehetra ilaina anaty solosaina sy ny namany. Ankoatra izay dia afaka mahazo antso 60 minitra maimaimpoana mandritra ny iray volana ihany koa izay mpanjifa mampiasa azy amin’ny alalan’ny skype. Aty amin’ny faritra Afrika iray manontolo moa no hanapariahana ity vokatra ity, araka ny fantatra ka izay mpanjifa mividy “Office 2012” araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra ihany dia mahazo “Office 2013” maimaimpoana.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT