Fandaharan’asan’ny Microsoft manerantany ny Ngo day connexion. Karazana hetsika iray entiny hanampiana ireo karazana Ong mila tohana avy aminy izy io toy ireo Ong mikarakara ny vehivavy sy ny tanora, ireo misahana ny resaka fanabeazana ranofotsiny ary ireo mikirakira ny teknolojia vaovao.
Omaly, ohatra, dia nisy indray ny fampahafantaran’ny Microsoft ny fandaharan’asany tamin’ireo mpiara-miasa aminy rehetra ka anisan’ireny ny foundation telma izay mifantina ireo Ong mety hahazo ny fanampiana avy aminy. Anisan’ireny ny centre sembana mijoro izay efa nahazo tohana nandritra ny herintaona tamin’ny alalan’ny fikirakirana internet avy amin’izy ireo, nijoroan’i Fela Razafinjato, filoha mpanorina ny centre vavolombelona. Nambarany fa miisa 25 ankehitriny ireo mpianatra ao amin’ny centre, 18 ka hatramin’ny 25 taona mahazo tombony amin’izany ao anatin’ilay tetikasa informatique pour tous.
Afaka mampiasa internet maimaimpoana amin’ny fotoana tsy voafetra ireo mpianatra ireo, manao fandalinana miadana sy mifanaraka amin’ny fahalalany, izay nomarihin’i Fela Razafinjato fa tena lafobe tokoa raha aloa vola noho ny mbola fahavotsan’ny ankizy mpianatra. Ankoatra izay dia mpampianatra miisa roa ihany koa no nomen’ny Microsoft fiofanana momba ny fikirakirana ny logiciel mba ho tombontsoan’izy ireo ao amin’ny centre. Anisan’ny andrasan’ny Microsoft tamin’izao hetsika nataony omaly izao moa ny fitohizan’ny fiaraha-miasan’izy ireo amin’ireo Ong maro samihafa izay marihina fa efa miisa 50 ankehitriny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.