Tsy mbola narary mihitsy i Michel le Dragon na i Vitly Michel lehiben’ny Gasy
Ka Mahay na GAKAMA hatramin’izay niainany raha araka ny fanazavany omaly. Noho ny fanaovany fanatanjahantena, ny fanajany ny soatoavina no nambarany fa anton’izany. Tsy maintsy niaro tena mantsy izy taorian’ny nahafatesan-dReniny izay maty novonoin’i Papakely lezionera tany Antsiranana taona maro lasa izay ka nilona tao anatin’ny fanaovana fanatanjahantena tanteraka ny lehilahy. Mikasika ny soa toavina manokana dia nambarany fa mila fifehezan-tena ny fanajana azy io. Ho azy manokana ohatra dia fady azy ny mandeha eny Ambodin’Isotry, toerana misy ireo kiraro friperie hakirazorazo eny ambony loha ka mety hanimba ny anjara tsara ho an’ny tena. Toraka izany koa ireo pataloha mikirazorazo…. Andriamanitra no tokony lolohavina hoy izy, mandeha ny satroka, mandeha ny lobaka sy ny pataloha izay vao ny kiraro. Raha hanompo ihany aho hoy izy dia aleo manompo ny dadabeko sy bebeko ary ireo Ray aman-dReniko fa tsy kiraro no ndeha hololoavina.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.