Michael Jackson

> 5 taona aty aoriana, nipoitra ny zanany voalohany


  • Sabotsy 08 Martsa 2014

Mitombo ny fianakaviana Jackson. Izy no maty tamin’ny 2009, dimy taona lasa izay, fa ny zanaka amam-parany mipoitra tsikelikely.

Mahoraka indray mantsy izao fa manan-janaka tany amin’ny sisiny ity mpihira amerikanina malaza ity, ary efa 31 taona izy io ankehitriny, dia i Brandon Howard. Io no heverina fa zanany voalohany. Efa lasa lavitra mihitsy ny resaka satria dia nisy ny fitiliana AND manaporofo hatrany amin’ny 99% fa zanak’i Michael Jackson tokoa i Brandon Howard na B Howard. Sady mpihira no mpandihy ihany koa ity farany. Zanak’ity mpanjakan’ny mozika POP tamin-dRtoa Miki Howard na Billie tamin’ny 1982 i Brandon Howard. Raha ny resaka mandeha dia io no niavian’ilay lohatenin-kira iray“Billie Jean” anisan’ny malaza an’i Michael Jackson. Misy itovitovizany aloha raha ny endrika ivelan’i Brandon sy Jackson. Araka ny fantatra dia tsy nitaky ny hanaovana io fitiliana AND io i Brandon fa olon-kafa nanana ny rafitry ny nifin’i Michael Jackson, nanaovana ny solonifiny, no nitsirian’ny hevitra ka nandany vola nampanao io fitiliana io ary nampitovy izany tamin’ny an’i Brandon Howard. Akory ny hagagana fa dia mitovy 99% ka nahatonga azy ireo hilaza fa zanak’i Michael Jackson i B Howard. Taorian’i Omer Bhatti tamin’ny 2009 hoe zanak’i Michael Jackson amina vehivavy norveziana izany dia i Brandon Howard indray izao no voalaza fa zanany ankoatra azy telo mianadahy efa fanta-bahoaka hatreto dia Prince Michael, Paris sy Blanket.

 

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT