Miary Teheza - Sakaraha

> Mampiahiahy ny nahafatesan’ny Ben’ny tanŕna


  • Alatsinainy 04 Novambra 2013


Tranga hafa iray indray nampiseho ny tsy fisian’ny filaminana tamin’ny andron’ny 25 oktobra nanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena teto amintsika ity niseho tany amin’ny Kaominina ambanivohitra Miary-Teheza any Sakaraha ity ka ny Ben’ny tanànan’ity toerana ity mihitsy no lasibatra tamin’izany. Teny an-dalana hody niara-nitaingina moto tamin’ny mpitandro filaminana iray nitondra fitaovam-piadiana Itompokolahy Tsilika Armand rehefa avy nanatrika fanisam-bato ny harivan’io 25 oktobra io (7ora sy sasany) no nisy nitifitra teo amin’ny tendany ary maty tsy tra-drano. Mbola notetehana antsy be koa ny tongotra aman-tanany avy eo, araka ny tati-baovao voaray. Mampieritreritra, hoy ny vaovao azo, fa tsy mba voakitika na dia nianjera tamin’ny tany avy eny ambony moto aza ilay mpitandro ny filaminana fa ilay Ben’ny tanàna ihany no niharan’ny habibiana voalaza. Andrasan’ny fianakaviana fatratra ny fanadihadiana ny nahafaty ny havany namela mananontena sy kamboty valo mianadahy ity ankehitriny.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT