Ben'ny tanàna teo aloha tao amin’ny kaominina ambanivohitra Antoby Atsinanana,
distrikan’i Miarinarivo faritra Itasy no voaporofo fa nanolana zazavavy 14 taona tao Imerinimamo, fokontanin’ Ambohimanana Kaominina Antoby Atsinanana, ny 10 novambra lasa teo.Ny 21 novambra lasa teo no nahazo ny fitoriana tamin'ny solotenam-panjakana tao Miarinarivo ny zandarimaria. Niaiky ny hadisoana vitany moa ity Ben'ny tanàna ity ka natolotra ny fitsaràna ary naiditra am-ponja vonjimaika ny 24 Novambra lasa teo ihany. Tsiahivina moa fa mahavoasazy asa an-terivozona an-taonany maro ny fikitihana zaza tsy ampy taona tahaka izao na manao ahoana ny endrika hisehoany na manao ahoana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.