Actualités

Miarinarivo Itasy Vehivavy 10 naolan’ilay lehilahy, maty avokoa ny 4


  • Talata 01 Martsa 2022

Tsy hay intsony na midoroka zava-mahadomelina na manao zavatra hafa ity lehilahy iray 49 taona monina any amin’iny faritra Miarinarivo Itasy iny.

Raha araka ny vaovao azo momba azy mantsy dia efa nahatratra 10 hatreto ireo vehivavy naolany ka ny 4 tamin’ireo dia namoy ny ainy avokoa. Raha araka ny vaovao avy amin’ny olon-tsotra ihany dia misy efa mahatratra 90 taona ireo olona naolany ireo ka ho an’ilay farany izay namoy ny ainy tamin’ny faran’ny herinandro teo ohatra dia efa 71 taona. Tao Miadana Miarinarivo II ity renim-pianakaviana ity no niharan’io fanolanana io. Hatao andrimaso sy famotorana ilay nahavanon-doza hatramin’ny omaly ary fantatra fa hiakatra anio Talata na rahampitso Alarobia.


Aretin-tsaina moa na olona niaina tao herisetra fony fahakely raha araka ny fanazavan’ny manam-pahaizana manokana momba ny saina no mahavita mamoa-doza tahaka izao ankoatra ireo mandray zava-mahadomelina dia tsy mahatana filany rehefa mahita ireo karazana fihetsika mamoafady amin’ny vata fahitalavitra ka mampihatra izany amin’ireo sendra azy.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT