Actualités

Miaramilan’ny prezidansa Nitokona teo anoloan’ny tranony ny Fokonolona


  • Alatsinainy 16 Mey 2011

Ny alakamisy 12 mey teo dia nandrasan’ny olona maromaro teo anoloan’ny tranony ny kaporaly iray izay miasa eo anivon’ny Prezidansa.

 Tsy fantatra izay tena antony fa dia raikitra ny ady. Raha ny feo mandeha dia ilay fiara Sprinter an’ny Prezidansa no saika hataon’ireo olona lasibatra, saingy raha ny filazan’ny maro indray dia efa kakay izy ity. Naratran’ilay miaramila ny iray tamin’ireo olona. Nanjavona kosa ny lakilen’ny fiarany. Voatery niantso ny FIS izay tonga teny an-toerana izy mba hanavotra azy. Rehefa teny an-toerana indray dia avy hatrany dia notadiavina ilay fanalahidy izay hita tany amina ramatoa iray vadina polisy.

Taorian’izay dia nosamborina avokoa ny olona efatra izay natolotra ny fampanoavana ny sabotsy lasa teo ka nidoboka am-ponja. Ilay iray maratra ka miandry ny fivoahany hopitaly aza dia efa miandry azy ihany koa ny fonja. Tsy faly ny mponin’Antsahameva Ankatso manoloana an’ity tranga ity. Ny sabotsy teo izy ireo dia nigadona teo  amin’ny tokotanin’ilay miaramilan’ny prezidansa ary nivazavaza tamin’ny «mégaphone». Voatery niditra an-tsehatra indray ny mpitandro ny filaminana nandamina sy nanaparitaka ireo olona ireo. Tsy mbola milamina ny raharaha satria toa lasa mifampiandriandry ny roa tonta...

 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT