Mpiambina olom-boatendry iray tao Toamasina teo aloha no nanangan-tsandry ka nahavanon-doza. Nodarohany tsotra izao ity tovovavy iray rehefa tsy nanaiky ny nitoriany fitiavana. Raha ny fanazavana marim-pototra azo teo anivon’ny olona mahalala tsara ny raharaha, dia mbola nitondra ny grady Serza ilay miaramila no nanam-pitiavana ity tovovavy ity, izay 19 taona tamin’izay.
Samy mipetraka amina Fokontany iray izy ireo ka mifankahita isan’andro. Ankehitriny dia adjida ny gradin’ilay miaramila nefa tsy mbola afaka ao aminy ny fitiavana ity tovovavy ity. Nividianany finday ilay tovovavy mba hahafahany miantso azy. Tsy nisy “puce” anefa ilay finday ka tsy nampiasain’ity tovovavy ity akory. Ny alahady 16 febroary teo raha avy nisotro ka mamo ramiaramila ka nifanena tamin’ilay tovovavy dia tezitra mafy fa tsy nampiasain’ity “olon-tiany” ilay finday. Raikitra avy hatrany ny tehamaina sy daka tamin’ny kiraro manokan’ny tafika ary nalain’ilay adjida ny finday novidiany ho an’ity tovovavy. Nahatsiaro naharary ilay tovovavy, izay 21 taona ankehitriny, noho izany ka naka vatan-kazo teo akaikiny niarovany tena tamin’ny daroka nataon’ilay miramila taminy. Vokany, naratra ilay adjida ka voatery nitsoaka satria tsy nandefitra ny natao azy ilay tovovavy. Nametraka fitoriana ilay miaramila ny 17 febroary. Vao mangiran-dratsy dia nalaina zandary an-keriny tao an-tranony ilay tovovavy fa nidaroka miaramila. Nandritra ny fakana am-bavany ilay tovovavy vao tonga saina ireo zandary mpanao fanadihadiana ka nivadika tany amin’ilay miramila indray ny raharaha, satria nangataka fifandaminana ka te haka vola iray tapitrisa Ariary tamin’ilay tovovavy ny tenany. Lasa ity miaramila indray no nanaovana fanadihadiana ka ny 20 febroary teo no niakatra fampanovana ny raharaha, ary omaly no natao ny fitsarana azy. Mbola nihemotra anefa ny famoahana ny didy. Ireo nanatrika ny fitsarana dia samy gaga avokoa amin’ny fihetsik’ilay miaramila, izay toa lasa ohatra ratsy ho an’ny vahoaka natao harovan’izy ireo.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.