Actualités

Miaramila misotro ronono sy Rezervista Mitaky ny handoavana ny volany ny any Faradofay


  • Zoma 22 Jona 2012

Mihetsika ny fikambanan’ireo miaramila sy zandary mivondrona ao amin’ny “Association des Anciens Militaires et des Réservistes (ANAMIRE)” any amin’iny faritra Anôsy iny.

 Nihaona tamin’ny mpanao gazety tao Tanambao, misy ny trano fonenan’i Célestin Maurice, filohan’ny fikambanana any amin’ny faritra Anôsy, ireo mpikambana omaly alakamisy tolakandro, nilazan’izy ireo fa fotoana tokony handoavan’ny fitondrana FAT amin’izay ny elanelan’ny marikaraman’izy ireo nanomboka ny taona 2005 ka hatramin’ity taona 2012 ity. Mitentina any amin’ny 5 tapitrisa Ariary isan’olona ny vola tsy maintsy sy tokony haloan’ny fanjakana. Ny tsy fanomezan’ny fanjakana io zony io, hoy izy ireo dia mety hampiova ho zavatra hafa ny fifandraisan’ny andaniny fanjakan FAT sy ry zareo ANAMIRE ireo. Voakasik’izany ny fikambanan’ireo miaramila sy zandary efa misotro ronono sy ireo lazaina fa rezervista. Mahatratra 200 mahery eo ireo mpikambana ary fitakiana ny zon’izy ireo no anton’izao hetsika fanairana sy fampahatsiahivana nataon’izy ireo izao.
Natiora OTH

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT