Actualités

Miaramila manondrana Mbola mangina ihany ny Tafika !


  • Zoma 05 Aogositra 2011

Tsy isan-kerinandro intsony fa saika isan’andro tato ho ato no nisy miaramila nitifitra olona, nisy mihitsy aza ny nahafaty.

 Ny olana anefa dia ny mpampita vaovao indray no matetika hiharan’ny hatezeran’ny Tafika rehefa manazava ny fisian’izany. Raha tsy izay indray ny loharanom-baovao no tadiavina dia omena tsiny. Ankehitriny dia tsy takona afenina intsony fa misy ary tena maro aza ny miaramila mihoa-pefy. Tato ho ato dia ireo eo anivon’ny DAS no manondrana, tsy inona fa karazana miaramila entina hanampy ireo zandary any ambanivolo lavitra any mba hitandroana ny filaminana. Ny vokany anefa dia tsy voafehy mihitsy ny ankamaroan’izy ireo.

Na lasa hery fampihorohoroana ny vahoaka na koa lasa mandroba tsotr’izao fotsiny. Lasa ny zandary indray no misambotra tsy fidiny. Manoloana ny zava-misy anefa dia tsy mba andrenesam-peo mihitsy ny eo amin’ny fitondrana, indrindra ny eo anivon’ny lehiben’ny Tafika. Manome endrika izany fa toa mbola arovana hatrany ireo izay mivily lalana. Aiza ve ka ny tranga iray tsy mangatsiaka akory dia efa mitranga indray ny hafa. Mampieritreritra !

 

Samy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT