Actualités

Miaramila Hiaro sa hamono vahoaka ?


  • Talata 12 Martsa 2013

Asa na efa tena miha ratsy ny eto amintsika na noho ny krizy dia lasa manaotao foana ny olona, fa ny miaramila avy izao no efa mitondra basy mandeha manafika tranon’olona, tahaka ny nitranga teny Itaosy ny faran’ny herinandro teo.

 Dia mifampitifitra ny zandary mpitandro filaminana sy ny miaramila jiolahy. Raha misy anefa ny mpiasam-panjakana anisan’ny nahazo tombontsoa betsaka indrindra tato anatin’izao tetezamita izao dia lohalaharana ny miaramila. Ny azy ireo dia tsy mihoatra ny telo andro ny fimonomononana sy fitokonana dia efa mitombo ny karama na ny tambin-karama. Vao misy kely siosion-dresaka fa mety hisy andiana miaramila hikomy, hono, na mety hisy miaramila haka fahefana dia efa mihetsika ny tompon’andraikitra ambony, mandamina ny any anaty lakazerina any, ary dia manaraka ny fanambantambazana isan-tsokajiny avy eo. Nahoana anefa no mbola misy miaramila manondrana ihany ka miray tendro amin’ny jiolahy ? Sa ve misy ny ampahany amin’ny miaramila mahatsiaro tena fa tsy nahazo ny zavatra tokony ho azony na efa nampanantenaina azy ? Ahoana marina moa no antony mampiparitaka ny fanamiana miaramila sy zandary, ary ny basy kalachnikov manerana an’i Madagasikara ? Moa va tena nampidirina an-tsokosoko avy any ivelany daholo ireny sa ny eto an-toerana ihany no mivoaka sy ampiasaina ?

Fa miandry inona ireo tompon’andraikitra ao amin’ny ministeran’ny fiarovam-pirenena sy ny filaminana anatiny ary ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena vao hanao fanadihadiana lalina, momba ny fivoahan’ny fitaovam-piadiana any amin’ny toby miaramila, na ny fitondran-tenan’ny miaramila sasany, izay mety efa mampiahiahy ? Tsy hisy tany hilamina izany mihitsy eto raha ny mpitandro filaminana no lasa jiolahy na mampanofa ny fanamiany sy ny basiny amin’ny jiolahy. Ny nahazatra izao nandritra ity fitondrana tetezamita ity dia miaramila manenjika sy misambotra vahoaka mandeha an-tanam-polo maneho hevitra, miaramila mikononkonona fanonganam-panjakana dia mivorivory amina toby iray, miaramila manorina trano be etsy sy eroa, miaramila voasambotra miaraka amina andian-jiolahy, miaramila na polisy na zandary miady aman’olona any anaty «bar» dia mamoaka basy, mitifitra avy eo. Rehefa tena niatrika ady tany atsimo, nanenjika dahalo anefa ny miaramila, hatramin’izao tsy hita izay vokatra tena mivaingana. Mbola manao ny ataony foana ry Remenabila sy ny ekipany, ka tsy tokony hahagaga raha manomboka sosotra sy tsy matoky ny tafika intsony ny vahoaka ary tena masiaka amin’ny fanakianana ny miaramila e !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT