Tonga eto Madagasikara ireo miaramila mpianatra avy any Etazonia miisa 61 anisan’ny mahay indrindra avy ao amin’ny sekoly manofana ireo miaramila amerikanina fiandry ROTC avy amin’ny oniversite 56 samihafa hanatanteraka fiofanana mikasika ny fifandraisana ara-kolontsaina sy fiteny (CULP)
. Fanindroany izao no hanatanterahana an’ity fandaharanasa CULP ity eto Madagasikara. Tamin'ny 2015 dia nisy mpianatra miaramila manodidina ny 30 niaraka tamin’ny miaramila malagasy. Manamboninahitra lefitra zadraharaha no mitarika ireto mpianatra miaramila ireto ary hizara ekipa enina izy ireo ka hiditra ao amin'ny Sekolin’ny Etat-Major, sy ny andiany PKO RECAMP, ary ny Akademia miaramila any Antsirabe. Ireo ekipa dia hanao fanentanana fampianarana teny anglisy miaraka amin’ny vondrona miaramila Malagasy sy fanazarana amin’ny kolontsaina miaramila amerikanina. Ny ekipa ao amin’ny RECAMP dia hifantoka koa amin’ny fampiasana tetikady sy asa miaramila PKO fototra. Tsy latsa-danja amin’izany ny CULP, dia sady manome fahafahana ireo miaramila amerikanina ho mpitarika rahatrizay fahalalana lalindalina kokoa ny kolontsaina malagasy no manome traikefa amin’ny fiaraha-miasa amin’ny miaramila vahiny. Ity fandaharanasa CULP ity dia iray amin’ireo fiaraha-miasa momba ny fiarovana tanterahan’ny Masoivoho hanamafisana orina ny fiaraha-miasa ara-miaramila Etazonia-Madagasikara.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.