Actualités

Miandrivazo Toy ny tany tsy misy Fanjakana


  • Alatsinainy 20 Jona 2016

Mandry andriran’antsy ny vahoaka amin’iny faritr’i Betsiriry iny. Tsy misy mandeha amin’izay laoniny ny asa fihariana vokatry ny tsy fandriampahalemana efa mihatra aman’aina.

 

 Tato anatin’ny iray volana sy tapany izao dia am-polony ny aina nafoy, an-jatony ny maratra ary an’arivony ny omby very tao anatin’ny fanafihan-dahalo sy ny fanafihana mitam-basy ataon’ny olon-dratsy amin’iny faritra iny. Lasibatra tamin’izany ny tany Ankilimanarivo, Antsakoamadinika, Ampanihy, Ampihika, Betsioka, Angodongodo, Dabolava, Andranomainty, Soanafindra, Betahalala, Miandrivazo tampon-tanàna. Nisy toerana niverenan’ny dahalo in-telo. Ny mahagaga aza dia vao mainka mahazo vahana, ka mampametra-panontaniana ny mponina hoe : misy Fanjakana ve eto e ? Ankehitriny dia miafina any anaty bararata ny olona, vao manomboka dila ny masoandro, ho fiarovana ny aina. Tsy mandeha amin’izay laoniny ny fambolena, indrindra ny voly tsaramaso izay mampalaza an’iny distrikan’i Miandrivazo iny, noho ny tsy fisian’ny omby hoenti-miasa ny tany, indrindra ny baiboho.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT