Mampitaraina ny mponina ao Miandrivazo ny mahita ireo lazaina fa olobe sy tompon’andraikitra vitsivitsy ao an-tanàna mamaritra sy manamboatra trano ao anatin’ny lalam-bahoaka amin’izao fotoana.
Efa namoahan’ny mpanolotsain’ny Kaominina fanapahana ary namoahan’ny Ben’ny tanàna didim-pitondrana fandrarana ny fanorenana fotodrafitrasa anaty lalana toy izany ary koa ny tsy maintsy hanaovana fangatahana fahazoan-dalana fanorenana, nefa dia misy misisika manorina ihany na tsy nahazo alalana aza. Araka ny fantatra dia tompon’andraikitra iray eo anivon’ny Kaominina ihany no tompon’ity fanorenana ity, ary miziriziry ny tsy maintsy hanohizany izany izy na dia nisy nanakana aza. Lalana azon’ny fiara nandehanana izy io teo aloha saingy noho ny fahasimbana nisy dia ny sarety mpitatitra vokatra sy ireo kalesa mpanatitra rano amin’ny barika sisa nampiasa izany ary amin’izao dia noho ny fanatsarana nataon’ny manodidina dia afaka nivezivezy ihany koa ny fiara. Mandeha moa ny feo fa noho io lalana io tsy nandehanan’ny fiara intsony dia nisy nangataka. Na izany aza dia efa nandefa fitarainana eny amin’ny ambaratongam-pitondrana ny mponina manodidina izany ka dia miandry.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.