Ho fanatanterahana ny tetikasan’ny Filohampirenena izay hanorina fotodrafitrasa manamorona ny morontsirak’i Toamasina,
ny PAZC izay tanterahin’ny BNCCCREDD+ dia mikendry ny hiaro ny moron-dranomasina manaraka ny làlana Ratsimilaho izay mirefy 500 m miainga amin’ny TANIO hatreo amin’ny sakeli-dàlana alohan’ny Lycée Rabemananjara, hoy ny Minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana Lovain-jafy (MEDD) omaly. Tanjona ny hiaro ny moron-dranomasina amin’izay mety ho loza rehefa kaohin’ny ranomasina izany. Nodiovina avy eo namarinina ny moron-dranomasina. Ny toerana nangalana ireo vato atao fiarovana ny sisin-dranomasina ihany koa dia efa nahazo ny fankatoavana taorian’ny fanandramana tany amin’ny laboratoara. Alohan’ny fanatanterahana, efa nisy ny fanandramana sy ny fanadihadiana natao teo amin’io toerana ametrahana azy io. Hatreto dia vinaina ho ny 37% amin’ny asa no efa vita, hoy ny MEDD. Tsiahivina fa fanambarana nataon’i Andry Rajoelina tamin’ny propagandy ny hanova an’i Toamasina ho an’i Miami any Etazonia ka asa efa firy isan-jato eo ny fitovian’ireo tanàna roa ireo roa taona sy tapany aty aoriana ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.