Actualités

Mialy Rajoelina “Tsy ekeko ny fanalam-baraka ny zanako”


  • Talata 23 Febroary 2021

Notondroin’i Fanirisoa Ernaivo ho Fitondrana jiolahim-boto sy mpifoka rongony sy mpanao trafikana “cocaine”

 

 

 

ny Fanjakana ankehitriny. Nanonona ny zanaky Filoha Rajoelina ity mpitsara nanana olana tamin’ny fitondrana ankehitriny ity, izay any Frantsa ankehitriny. “Ny zanakareo ihany koa aty an-dafy, ary tsikafoninay. Iza no tsy mahita ny zanak’i Andry Rajoelina mifoka rongony aty an-dafy? Tandremo fa aty an-dafy ihany koa ny zanakareo. Izahay tsy hanaiky mora, ary fandrahonana izany ataoko izany, ataoko henon’ny lava-tsofin’izy mianakavy. Mpangalatra sady mpamono olona, mpifoka rongony, angaha tsy hainay io rongony raisinareo,…? Ny tranonareo feno cocaine sy mifoka rongony. Mbola hifankahita isika…. Tsy hamelanay, hivaly any amin’ny taranakareo ny ozona ataonay”, hoy i Faniry Ernaivo tamina horonan-tsary.

NAMALY BONTANA

Nivoaka tao anatin’ny fahanginany kosa Rtoa Mialy Rajoelina vadin’ny filoha noho io resaka sy fanambarana mahery vaika io. Tamin’ny teny vahiny io, saingy azo adidika tsotsotra toy izao ny ampahany hoe: “Tsy azoko ekena ny zavatra nambaran’io vehivavy io, ary tsy misy afaka hitsara ahy amin’ny fomba fanabeazako ny zanako. Ny rehetra dia manao izay hahatsara ny zanany, ary hatsaharo ny teny fankahalana sy fitsaratsarana tsy marim-pootra mikasika ny zanako… Tsy hisy teny hanaiky herisetra atao amin-janany tahaka izany. Nitaiza ny zanako am-pahamendrehana aho, ary mbola manohy izany. Fa iza izy no sahy manao fandrahonana? Fa inona no noraisiny ka sy nahatonga azy hiteny toy ireny ka milaza tsy mihambahamba ny zanako ho mpandronony? Tsy ekeko velively ary fanompana ahy izany?”

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT