Actualités

Mgr Odon Razanakolona « Tsy tompon’andraikitra amin’izay mampiasa ny anarany ny fiangonana »


  • Zoma 23 Jolay 2021

Nisy ny vaovao sy resaka samihafa miely, fa mpanolontsain’ny Arsevekenan’Antananarivo Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona I Paul Rafanoharana,

ilay Malagasy mizaka ny zom-pirenena Frantsay, tao anatin’ny tafika Frantsay fa efa misotro ronono, izay voasambotra noho izy voarohirohy amin’ny raharaha fikatsahana hamono ny Filoha Rajoelina. Volana vitsivitsy lasa aza izay, dia nisy fampahalalam-baovao vahiny nilaza fa isan’ny manohana sy manao fandresen-dahatra na “lobbying” amin’ny hanendrena an’I Paul Rafanoharana ho Praiminisitra ity mpitondra fivavahana ity satria anarana somary nalaza fa isan’ny tsara toerana ho Praiminisitra io mpiara-miasa akaiky tamin’i Andry Rajoelina tamin’ny tetezamita io. Omaly nanao fanambarana manokana, mandiso ny fanononana azy na ny fampiasana ny anarany sy ny fiangonana ny Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona. “Ny Ekar, fa indrindra ny Arsidiosezin’Antananarivo, dia mampahafantatra fa manana ny fandaminana manokana izay voafehin’ny “loi canonique” izay lalàna manokan’ny Fiangonana Katolika ary ampiharina araka ny voalazan’ny satan’ny fiangonana katolika eto amin’ny Arsidiosezin’Antananarivo. Araka izany, raha misy olona te hiteny na hanao zavatra amin’ny anarany, dia tsy maintsy manaraka izay voalazan’ireo fitsipi-pandaminana ireo. Noho izany, tsy tompon’andraikitra amin’izay olona mety ho mampiasa ny anarany ka tsy nahazo alalana manokana hanao izany, hoy i Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT