Actualités

MFM Nanome voninahitra an’i Gisčle Rabesahala


  • Zoma 01 Jolay 2011


 «Mpitolona tranainy, niady ho an’ny Fahafahana sy ny Demokrasia Rtoa Gisele Rabesahala», hoy ny filoha nasionalin’ny MFM, Manandafy Rakotonirina raha tonga niondrika teo anoloan’ny nofo mangatsiakan-dRtoa Gisèle Rabesahala, nanome voninahitra azy, teny Ampandrana misy ny foiben’ny Fifanampiana Malagasy ny tenany ny alarobia teo, nitarika ny Foibe Mfm sy ny MFM sampana Antananario Renivohitra. Nambaran’i Manandafy Rakotonirina ka fa «Rtoa Rabesahala no vehivavy tena matihanina tamin’ny politika ary nanao izany ho antom-piainana mihitsy». Amin’ny maha vehivavy mpanao politika azy, araka ny fanazavana ihany dia niaritra ny fanenjehana sy ny fanarabiana maro izy. Ankoatra ny MFM moa dia tonga nampahery ny fianakaviana teny Ampandrana ihany koa ny antoko sosialista avy atsy La Réunion. Raha ny fantatra moa dia anio zoma no hanitrihana ny razana eny Ambohimanga Rova.

 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT