Actualités

Menaka tsy ara-dalŕna Hentitra ny ministeran’ny varotra


  • Alakamisy 12 Aprily 2012

Tsy hanaiky fa hanaraka hatramin’ny farany izay olona nitondra ireo menaka tsy ara-dalŕna tratra teny amin’ny orinasa afaka haba iray mpanjaitra lamba eny Ambohidratrimo ny Ministeran’ny varotra.

 Ny faran’ny herinandro teo no nitrangan’izany izay nahitana menaka maherin’ny 5000 litatra tamina barika kely miisa 260. Be fofona be ireto menaka ireto ary avo telo heny amin’ny singa hita ao amin’ny menaka ara-dalàna ny singa ao anatiny araka ny nambaran’ireo tompon’andraikitra avy eo anivon’ny ministeran’ny varotra ka rehefa tsy mahafaty izay olona mihinana azy dia mety ho voan’ny homamiadana. Nambaran’izy ireo ihany koa fa tsy azon’ny orinasa tahaka itony orinasa afaka haba itony atao ny mandray entana tsy azy. Ilay menaka rahateo tsy fantatra na firenena avy aiza no nipoirany na avy aiza satria tsy nahitana soratra kely nentina namantarana izany akory ireo barika kely nisy azy. Hiakatra eny anivon’ny fitsarana ady heloka bevava ity raharaha ity koa andrasana izay mety ho tohiny. Eo an-danin’izay dia miezaka hatrany ny mamongotra ireo karazana entana lany daty hamidy eny an-tsena ny ministera ho fitandroana ny fahasalamam-bahoaka.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT