Manoloana ny vaovao niely teny amin’ny tambazotran-tserasera, andro vitsivitsy lasa izay, mahakasika ny fisian’ny menaka fahandro izay lazaina fa tsy azo hohahina,
dia nisy ny fepetra noraisin’iny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana na ny MICC,. Nandefa ampahana menaka tany amina laboratoara fitiliana roa ny MICC, hanamarinana ny fahazoana mihinana ity menaka soja izay diovina eto Madagasikara ity, ka ny LCP (Laboratoire de contrôle de Pesticides) sy ny ACSQDA (Agence de Contrôle de la Sécurité Sanitaire et de la Qualité des Denrées Alimentaires) no nanatanterahana izany fitiliana izany. Vita avokoa ny fitiliana rehetra, ka dia nanambara ny LCP tamin’ny valin’ny fitiliana nomeny, fa manaraka ny fenitra takiana amin’ny menaka soja ny menaka izay voalaza anaty tambazotran-tserasera. Nanambara ihany koa ny ACSQDA fa azo hohanina tsara ny menaka, hoy ny fampitam-baovao ofisialin’ny MICC.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.