Actualités

Me Rasamimaka Mahefalahy Miandry an’i Neny ny vahoakan’i Toamasina


  • Zoma 02 Aogositra 2013

Hafa ihany ny Zanak’i Dada sy ny ankolafy Ravalomanana manontolo, hoy ny CST Rasamimaka Mahefalahy.

Nanamarika ity farany fa hatramin’izay niandohan’ny tolon’ny ara-dalàna izay ka hatramin’izao fotoana izao dia tsy mbola tapaka mihitsy ny hetsiky ny Ankolafy Ravalomanana isaky ny sabotsy ao amin’ny Magro Morafeno, ny fivoriambe isaky ny alarobia ao amin’ny QG sy ny dinidinik’ireo mpitarika ny tolona isaky ny andro zoma. Sahinay ny milaza, hoy ny Me Rasamimaka fa mihamitombo andro aman’alina ny olona tonga manatrika ny hetsika rehefa sabotsy satria i Toamasina dia manohana ny ankolafy Ravalomanana. Fanirianay mafy, araka izany, ny hiavian’i Neny any an-drenivohi-dRasaraka, hoy izy, fa efa tena sasa-miandry azy marina i Toamasina. Mila toky avy aminy ny vahoaka tena sahirana, hoy ny Me Rasamimaka, mba hamerina ny zava-bitan’ny filoha Marc Ravalomanana tao amin’ity havokavok’i Madagasikara ity.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT