Me Rasamimaka Mahefalahy

> “Tsy manan-jo hitsara ny mpitsara malagasy ny GIC-M”


  • Sabotsy 10 Aogositra 2013

“Mpiara-miombona antoka amin’ny Malagasy eo amin’ny famahana ny krizy Malagasy ny GIC-M, fa tsy natao hitsara ny Malagasy sy ny mpitsara Malagasy ary ny vahoaka Malagasy mihintsy. Misy lalanany izany ary tokony hajaina ihany, fa tsy hoe : izy ireo no hanampy antsika amin’ny fifidianana dia afaka manery antsika”.

Izay no nambaran’ny Me Rasamimaka Mahefalahy nilazany ny heviny ny zava-misy amin’ny lazainy fa tsy fanarahan-dalana ataon’ny Malagasy sy ny mpitsara ambony Malagasy. Nomarihan’ity mpahay lalàna ity hatrany fa “tsy hitako ny ametrahana fisalasalana amin’ny didy efa navoakan’ny mpitsara ambony tao amin’ny CES ireny. Didy toy ny didim-pitsarana rehetra iny dia manaraka izay ny rehetra, raha azo nampiankarina iny dia izay no azo atao, saingy didy tsy azo ivalozana ireny dia manaiky izany ny rehetra fa izay no atao hoe : tany tan-dalana aminy”. Isany nametrahan’ity mpahay lalàna ity ahiahy koa ny CENIT. “Toa lasa sakana indray ny CENIT fa tsy sahy mandray ny tena andraikiny ary lany mivory etsy sy eroa fotsiny fa tsy misy zavatra tapaka sy tena matotra ny fivoaran’ny fanomanana sy ny hisian’ny fifidianana lazaina fa antoka hivoahantsika amin’ny krizy”, hoy hatrany Me Rasamimaka Mahefalahy. Ankoatra izay, dia nambarany koa fa “inona no sakana ho an’ny GIC-M tsy hanaovany fitoriana an-tsoratra eo anivon’ny CES raha toa ka tsy mahafaly na tsy mety aminy ny didy nivoaka? Toa ny vahoaka masi-mandidy sy tompom-pahefana indray no atao hofana lava eto”, hoy hatrany Me Rasamimaka Mahefalahy.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT