Actualités

Me Rabemananjara Lalaharinoro Tsy hita fa tazonin’ny ministera ny dosien’ireo gadra politika


  • Alatsinainy 09 Jolay 2012

Ny zava-misy eny am-ponja amin’izao fotoana izao dia maro be ireo gadra politika no marary, hoy ny Me Rabemananjara Lalaharinoro.

 Misy ny voan’ny katarakta, ao ny marary vavony, misy ny tsy afa-mandeha intsony. Samy mimenomenona avokoa ireo gadra na ny any Arivonimamo, na ny any Tsiafahy sy Antanimora fa tsy misy fijerena foana ny antontan-taratasin’izy ireo hatramin’izao. “cassationnaire” daholo izy ireo nefa ny an’ny sasany mbola any amin’ny ministeran’ny fitsarana, ny amin’ilay 7 febroary ka hatramin’ny 11 novambra 2011. Mampalahelo fa efa ho herintaona izao mbola voatana any amin’ny ministera ireo dosie ireo.

Ny an’ny sasany, hoy ity mpisolovava ity dia hoe nisy nanao fanohanana, na nisy nangataka fahafahana vonjimaika dia tsy afa-mihetsika fa tavela eo ireo. Ny isan’ireo gadra politika mbola any am-ponja ankehitriny dia mahatratra 35 ankoatra ireo efa voaheloka. Ireo 5 vao nampidirina vao haingana dia efa nivoaka tamin’ny 26 janoary ka naverina indray fa hoe mitady hamono an’i Andry Rajoelina sy ny jeneraly Richard Ravalomanana sy ny CEMGAM. Izy ireo anefa dia milaza fa tsy misy mihitsy izany zavatra izany. Toy ny mahazatra dia misy resaka politika ao ambadiky ny gadra politika. Tokony hampiharina amin’izy rehetra ireo ny andininy faha-16 amin’ny tondrozotra, toy ny nampiharana ny tamin’ny raharahan’ny RAS, hoy ny Me Rabemananjara Lalaharinoro, fa tsy tokony hasiana fanavakavahana mba hisian’ny fitoniana marina. Izy moa dia anisan’ny efa nalefa tany am-ponja koa tamin’izao tetezamita izao. Nambarany mazava fa mafy ny any am-ponja any.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT