Afa-baraka tanteraka ny olobe CST mpanao lalŕna tetsy Anosikely, hoy ny Me Hanitra Razafimanantsoa, rehefa baikoan’ny teny midina tsy maintsy arahina rehefa hanapaka lalŕna iray.
Tsy misy zavatra tapaka fa ny didin’ny besandry no manjaka, hoy ity filoha lefitry ny CST avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ity, rehefa resy tamin’ny tsangan-tanana ireo mpomba ny filohan’ny tetezamita ary mampalahelo fa ny olo-bevata tokony hitondra fandaminana mihitsy no mandrava efa. Nisy vahiny nanotrona tahaka ny filohan’ny CAEED anefa tao anaty efitrano fivoriana. Very zo, hono, ireo mpikambana vaovao vao notendrena ka tsy mba nampidirina tao anaty vaomiera nefa dia ny lalàna mifehy mihitsy no milaza fa rehefa feno 14 ny isan’ny mpikambana dia mitazana ety ivelany izay tara any.
Mahagaga, hoy ity filoha lefitry ny CST ity, fa samy mahay lalàna izao no mifampiresaka ary mahafantatra sy hampahafantarina tsara fa resaka olona iray sady mitana ny andraikitra ho filohan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana no mbola filohan’ny CES ihany koa no fototry ny olana miaraka amin’ny fahaleovantenan’ity rafitra iniana hitsabahana ity nefa dia itadiavana hirika hampidirana resaka politika indray ao anatiny amin’ny hoe fametrahana solontena iray avy isak’ireo antoko politika nanao sonia ny tondrozotra. Efa voalazan’ny lalàna anefa fa tsy ampidirana resaka politika ao amin’izany andraikitry ny CES izany. Sosokevitray avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ny hitazonana ny mpikambana valo ao amin’ity CES ity ary hampiana mpampianatra lalàna iray fa ireo aza efa manahirana ny fampitovizan-kevitra eo aminy, mainka fa izany olona 19 izany sady hisy mpanao politika indray.
Raha izaho Me Hanitra avy amin’ny ankolafy Ravalomanana sy ny filoha lefitra Maharante Jean de Dieu na ny mpanolotsain’ny filohan’ny tetezamita Norbert Lala Ratsirahonana àry no tendren’ny vondrona politika miaraka aminay avy ho solontenany dia tsy efa azo antoka ve fa ho resaka politika ranofotsiny no hoentinay sy hampanjakanay ao anatin’ny fanapahan-kevitra ho raisin’io CES io ? Aminay dia tsy hamaha velively ny krizy malagasy ny nandanian’ny parlemantera an’io volavolan-dalàna 2013-013 io, hoy hatrany ny Me Hanitra Razafimanantsoa.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.