Actualités

Mbola Joseph Rajaonah “Ny fasahiana ihany no antoky ny fahombiazana”


  • Alakamisy 04 Aprily 2013


 Vita ny fifidianan’ny antenimieran’ny varotra Toamasina ankehitriny, hifarana ny 03 aprily izao ny asan’ireo “comite ad’hoc”. Nisy ny resaka nifanaovana tamin’Atoa Mbola Joseph Rajaonah filohan’ny “comite ad’hoc” mikasika ny fahombiazan’izy ireo tao anatin’ny volana vitsy teo anivon’ny CCI Toamasina…

Tia Tanindrazana (TT) : Tanora mpandraharaha ianao ary anisan’ny tafavoaka amin’ny fandraharaha ataonao. Mba zarao aminay sy ireo tanora ny tsiambaratelonao tamin’izany ?

Atoa Mbola Joseph Rajaonah (Atoa Mbola) : Tsy misy tsiambaratelo ny fahombiazana, ny fahasahiana ihany no erany. Midika izany fa mila sahy amin’ny fampiasam-bola fa tsy hiahotra lava ny tanora. Raha vao miahotra ianao dia efa sakana amin’ny fandrosoana izany. Nampiasa vola maro aho nahavitako ny orinasa keliko ary sahy tao anatin’izany. Isaorako ianareo gazety Tia Tanindrazana raha mahita sy manasokajy ahy ao anatin’ny tanora mba niezaka, satria sarotra ny lalana fa io fahasahiana io ihany no erany, averiko ihany.

TT : Raha ilay didim-pitondran’ny minisiteran’ny varotra dia enim-bolana teo no niasanareo teo anivon’ny CCI Toamasina. Inona ny tsiambaratelonareo tao nahatrarana ilay tanjona tao anatin’ny fotoana fohy ?

Atoa Mbola : Efa nazava hatrany am-boalohany ny tanjona dia ny hanaovana fifidianana. Mafimafy ihany no nandrafitra izany satria adihevitra no natao, nefa ny hevitry ny maro hatrany no tsy maintsy narahina ka mandefitra ny vitsy an’isa. Niray ho azy ny feo noho ireo mpitantana teo aloha tsy nisy nahavita. Amin’ny maha adihevitra azy anefa dia tsy maintsy misy ny tsy faly raha tsy lanin’ny maro ny arosony, izay nahatonga olana tamin’ny vondrona sasany niala an-daharana. Tsoriko anefa fa na filoha aza aho tao dia maro ny hevitra narosoko no tsy lanin’ny mpikambana maro an’isa, dia mandefitra ny tena ao anatiny satria izay ny demokrasia.

TT : Anisan’ny olan’ny CCI Toamasina ny ara-bola, nanao ahoana ny nandrindranareo izany ?

Atoa Mbola : Tena olana goavana tokoa ny ara-bola. Kitapom-bola foana no novantaninay tao amin’ny CCI Toamasina. Nanome fanampiana ara-bola ihany ny minisiteran’ny varotra, indrindra ny nandoavana ny karaman’ny mpiasa, saingy roa volana ihany dia lany izany. Izay no nahatonga anay nifanaraka tamin’ny ladoany Malagasy hanaovana ny lavanty na tsy eo an-tokotanin’ny CCI Toamasina eo anivon’ny seranan-tsambo aza no anaovana azy, noho ny magazay tsy manaraka ny fenitra mikasika ny lavanty tokony hatao. Izay no nahazoana vola nentina nanodinana ny CCI Toamasina sy nandoavana ny karaman’ny mpiasa.

TT : I Mbola Joseph Rajaonah raha ny taona dia tena mbola tanora, inona re ny tsiambaratelonao nahavitanao ny asanao tao anatin’ny sarotra sy fanenjehana samy hafa nahazo anao ?

Atoa Mbola : Tsy misy tsiambaratelo izany io, ny fahasahiana ihany no miantoka ny fahombiazana. Izay maha tanora ahy izay indrindra angamba no nananako io fahasahiana io dia tratranay Comite ad’hoc ny tanjona napetraka. Tsorika anefa fa be ny nanenjika, ny fingampingana, nefa ireny no nentiko nihoitra tamin’ny asa natako. Tsy mora izany hoe isaka ny alina dia misy mitoraka ny tranonao, isan’andro dia tsy ialan’olon-tsy fantatra manodidina ny fonenanao, manginy fotsiny ny fandrahonana amin’ny finday. Tsy nitory anefa aho satria tsy tiako ny miady, fa ny asako ihany no niezahako novitaina dia izao hitantsika izao ny vokatra.

TT : Anisan’ny nanenjehana anao ny hoe “tsy maha zanak’i Toamasina” anao, inona no azonao ambara ?

Atoa Mbola : Tsy haiko aloha ny dikan’izay fa izaho dia teraka teto, nianatra teto ary teto avokoa no nahazoako ny diplaomako. Mbola miasa sy manome asa eto ihany koa amin’ny alalan’ny orinasa keliko. Na izany aza, nahavita izahay mpikambana napetraka hanatsara ny CCI Toamasina sy hanomana ny fifidianana, dia izay no azoko ambara, fa anjaran’ny mpanenjika ny azy fa izahay dia ny mandroso hatrany no tanjona

TT : Inona no hafatrao amin’ireo mambra vaovao voafidin’ny CCI Toamasina izao ireo ?

Atoa Mbola : Tsotra ihany, mahaiza mifampihaino, mahaiza mifampiresaka, mihainoa ny hevitry ny mpiasa, ary mahaiza miady hevitra, fa izay ihany no miantoka hevitra tsara sy vaovao hahafahana mihoitra amin’ny tsara kokoa sy amin’ny fandrosoana tadiavin’ny maro atao sy tian’ny rehetra hahatongavana.

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT