Actualités

Mbitanarivo Andriantsihorisoa “Mety efa manomboka mameno kapoaka ny vahoaka”


  • Alatsinainy 28 Novambra 2022

Manjaka tena manjaka tafahoatra ny tsy fandriampahalemana, hoy ny filohan’ny sendikan’ny mpitsara malagasy na SMM, Mbitanarivo Andriantsihorisoa.

Tsy ho ana tanàna vitsivitsy ihany fa na aiza na aiza alehanao ankehitriny dia tsy misy tsy mikolay sy mikaikaika ny mponina rehefa mba hifampiresahana, hoy izy. Ny tenin'ny olona mba hifampiresahan'ny tena no mba hampitaina hoe fa maninona, hoy izy ireo, no variana mameno tanàna ao Iarivo ao daholo ireo mpitandro ny filaminana fa tsy mba zarazaraina aty ambanivolo rehetra aty? Ny resaka mpitandro filaminana eo ihany fa ny fiarahamonina malagasy mihitsy no tsapa ho nilaozan'ilay atao hoe fihavanana. Tsy misy intsony izany trano atsimo sy avaratra izany, izany tànan-kavia sy havanana izany. Samy mandeha samy mitady izao no misy eto. Ny mponina ambanivohitra no tena mijaly nefa amin'izany satria dia mandry andriran'antsy isan’andro vaky izao. Ny adilahy politika etsy an-kilany tsy mitsaha-mivoatra gaigy. Mety efa manomboka mameno kapoaka ny vahoaka ary ny hatahorana dia ny fitraorana tampoka amin'ny fotoana tsy am-poizina. Ny olana misy sahala an'izany tokony tsy maintsy hahitam-bahaolana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT