Actualités

Mazda tapaka “frein” Nanimba fiara 3 vao tafajanona


  • Alatsinainy 18 Jolay 2016

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray tetsy Ankadindramamy, eo amin’ny toerana antsoina hoe Vatosoa, ny sabotsy 16 jolay 2016 tokony ho tamin’ny 2 ora sy sasany tolakandro.

  Fiara mazda iray mampitohy ny renivohitra amin’Ambatondrazaka no voalaza fa nisy olana ny tsindry hisatra na “frein” ka nandona fiara sprinter iray, izay iray kaoperativa aminy ihany ary io avy eo no nandona fiara taksibe miisa roa avy amin’ny zotra 135 sy 147. Simba tanteraka ny lohan’ilay Mazda, ilay sprinter dia teo amin’ny vodiny sy ny lohany no nisy fahapotehana noho izy tafiditra afovoany. Ireo taksibe kosa dia ny varavarana no nahitana fahasimbana. Tsy nisy kosa anefa ny aina nafoy tamin’ity tranga ity fa mpitondra moto nanao taingin-droa no voadona ka nipitika tany ambanin’ilay fiara sprinter. Vokany, vehivavy iray no naratra ny tongony ary ilay lehilahy nitondra ny moto kosa dia ny lohany no nisy kiaka. Fantatra fa efa nandray andraikitra tamin’ny fitondrana sy fitsaboana ireo naratra ny mpamily sy ny avy ao amin’ny koperativa misy ity fiara mampitohy an’Antananarivo sy ny renivohitry ny faritra Alaotra-Mangoro ity. Raha ny filazan’ny mponina eny an-toerana dia efa matetika itrangana lozam-pifamoivoizana eo amin’ity toerana ity. Misy aza ny miteny fa misy lolo eo amin’io toerana io.

Toky R.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT