Actualités

May ny tsenan’Isotry Ana miliara ny zavatra simba


  • Talata 17 Mey 2016

May kila tsy nisy noraisina ny tsenan’Isotry eny akaikin’ny lalamby. Entana fanaovana trano, sono, karazan’entana maro samihafa niaraka tamin’ny trano fivarotana no lasa lavenona.

Ny alahady hifoha alatsinainy tokony ho tamin’ny 1 ora maraina no nidedaka ny afo raha araka ny fitantaran’ireo vavolobelona teny an-toerana. Mifamahofaho be ny fanambarana, tsy fantatra mazava izay tena anton’ny niandohan’ny afo. Raha ny firesaky nympivarotra sasany dia tsy court circuit na labozia nianjera fa tena afo niniana natao no nandrehitra ny tsenan’Isotry. Fiara be 10 avy ao amin’ny sampana mpamonjy voina Tsaralalana no nifandrimbona namono ny afo teny an-toerana ary efa maraina ny andro vao voafehy izany. Nidina teny an-toerana vao maraina nankahery ireo mpivarotra rava fananana ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana, ary tazana niaraka taminy teny ihany koa i Marc Ravalomanana filoha nasionalin’ny Tiako i Madagasikara. Tombanana ho ana miliara ny entana potika tamin’izao tsena may teny Isotry izao. Andrasana kosa ny fanadihadiana. Matoa misy ny ahiahin’ny mpivarotra dia ao raha. Mba tsy hahabe ny resaka mandeha sy ny honohono mila manao fanadihadiana lalina sy matotra ny amin’ny antony marina nahatonga izao fahamaizana teny Isotry izao ny mpitandro ny filaminana sy ny kaominin’Antananarivo Renivohitra.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT