Actualités

May ireo «émetteur » n’ny onjampeony Tezitra mafy amin’ny JIRAMA i kohen Rivolala


  • Alakamisy 05 Janoary 2023

Fanjakan’ny haizina hanjakan’ny devoly ny fanjakana tapaka jiro lava tahaka izao fanjakana mijoro izao hoy Kohen Rivolala,

filoha mpanorina ny antoko politika CCDM no sady mpitarika ny fiangonana Jodaisma Hebraika etsy Ambanilalana Itaosy. Ny delestazy aza tsy voavahany hoy izy nefa tena hiankinan’ny fiainam-bahoaka iray manontolo mihitsy. Mamono olona ny jiro tapaka hoy hatrany Kohen Rivolala na ho an’ireo marary mafy eo am-pandidianana izany na ireo mila oxygene. Toraka izany koa ireo zaza ao anaty couveuse hoy izy, ankoatra ireo karazana asa fihariana maro samihafa izay tsy lazaina intsony. Ny mahavariana anefa hoy hatrany Kohen dia ny lalana vitan-dRavalomanana no henjehiny fatratra fa tsy ny hanafoanana ny delestazy no hataony. Ny tokonana aza tsy afaky ny fanjakana nefa ny vovonana no tadiaviny hanihina….Tao anatin’ny hasosorana mafy no nanambaran’i Kohen Rivolala izany. Hatreto mantsy raha araka ny fanazavany dia émetteur-na radiony miisa 4 no efa mafy vokatry ny delestazy lavareny. Anisan’izany ny teto Antananarivo, Antsirabe, Fianarantsoa…. izay mitentim-bidy amina miliara. Marihina moa fa mankalaza ny faha-15 taona niorenany ny fiangonana Jodaisma Hebraika tarihiny amin’izao. Fotoam-pivavahana lehibe narahina fiaraha-misakafo namonoana omby matavy mazava loha no nentina nanamarihana izany afak’omaly Talata tontolo andro teny Ambanilalana Itaosy. Nomarihin’i Kohen manokana moa fa hiroborobo ny fivavahana tarihiny amin’ity taona 2023 ary hanavotra olona maro.
Pati
Legende : Ny fampiantoana ny delestazy aza tsy vitan’ny fanjakana hoy Kohen ka inona no azo antenaina aminy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT