Actualités

May foana isan-taona i Ankarafantsika “Ny tsy fahafalian’ny mponina matetika no antony”


  • Talata 16 Novambra 2021

Miompana amina zavatra 3 lafy ny fandrakofana ala ho an’ny minisitera lefitra misahana izany, raha ny fanazavana tetsy Nanisana omaly.

Eo ny ho an’ireo lalam-pirenena. Raha atao tombana izany, hoy ny minisitra Haingosoa Hortensia Anthonesia, dia avy any Toliara hatrany Antsiranana no horakofana ala. “Route fleurie”, hoy isika taloha na “route arborée”. 2300 km eo no halavan’izay fandrakofana ala ny sisin-dalam-pirenena izay. Hisy koa amin’ny fanombohan’asa ofisialy ny fambolen-kazo goavana dia ilay zanakazo miisa 60 tapitrisa ho atsatoka anaty andro iray. An-dalam-panomanana ny paikady rehetra hanatanterahana izany. Hisy koa ny fametrahana tanin-janakazo goavana na “pépinière a grande échelle” sy “pépinière de proximité”. Ny 7 novambra teo dia nisy ny fampiakarana ireo ben’ny tanana sy governora tany Antsirabe izay nahafahanay nitondra izany anjara biriky izany ho fanentanana ireo vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana. Tsy ampy ny fanaraha-maso ireo sampana fiarovana ny ala sy faritra arovana teo satria izahay eto anivon’ny minisitera izao tsy ampy olona. Mbola mangataka amin’ny fanjakana foibe izahay hoe ampio ny tekinisianin’ny rano sy ala hiasa eny ifotony! May foana isan-taona I Akarafantsika. Antony matetika ny resaka tsy fahafaliana na “feu de mécontentement”. Tezitra ny mponina satria misy zavatra tsy milamina ao. Harenina izay zavatra tsy mety izay hisorohana ireny fahavoazana mihoam-pampana ireny satria ny zavatra tena mamoha henatra dia ry zareo eny ifotony no manao ny ataony dia ny fitondram-panjakana no maloto. Mirehitra I Menabe Atimena, Akarafantsika, Analalondo sy ny hafa rehetra dia ny fitondram-panjakana no hitan’ny rehetra sy ny sehatra iraisampirenena. Ny olona nahazo famatsiam-bola sy natao hitantana any amin’ny faritra ireny no tsy nanao ny asany. Efa latsaka ny afo tamin’ity taona ity fa voizina any amin’ny tambazotran-tserasera ilay izy dia toy ny hoe nitombo be fa afaka hamarinina any amin’ny NASA fa nihena ny firehetan’ny ala tamin’ity taona ity, hoy hatrany ity minisitra ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT