Actualités

Matso 26 jona Tsy mahasarika an’i Toamasina


  • Alatsinainy 27 Jona 2011

Manomboka tsy mahasarika olona toy ny taloha, ny fijerena ny matso eo amin’ny araben’ny fahaleovantena Toamasina na nohatsaraina aza ny fandaminana ny fanaovana ny matso tamin’ity fankalazana ny faha-51 taonan’ny fetim-pirenena ity izay naharitra ora roa sy sasany teo.

 Tao anatin’ny telo taona izao dia hita isan-taona ny fihenan’ny mpijery matso. Ireo zokiolona no mbola mankafy izany ary maro no tonga nanotrona. Nisokatra tahaka ny mahazatra ihany koa ny fiangonana maro tao Toamasina omaly alahady. Tsy nisy ny fandaminana manokana noho ny matso, fa ny fotoana alahady andavanandro no hita teo amin’izy rehetra ireny.

Niisa 479 ireo miaramila nandray anjara tamin’ny matso tao Toamasina omaly, notarihan’ny kolonely Rabemonina. Nandray anjara mavitrika koa ny skoto rehetra, narahin’ireo mpianatra avy amin’ny sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana sy ireo mpanao fanatanjahantena. Fa anisan’ny niavaka ary tena tsy nanaja ny fandaminana 40 isaky vondrona dia ny antoko politika ary ny ankamaroany dia ireo ao anatin’ny fitondrana tetezamita ankehitriny, teo ny TGV, ny MTS, ny FIMAMI ary ny MDM. Nisy kosa ireo nanaja ny fandaminana toy ny antoko Maitso Hasin’i Madagasikara sy ny TIM Raharinaivo Toamasina. Nanome voninahitra ny lanonana tao an-toerana ny filoha lefitry ny CT Rtoa Naharimamy Irma Lucien, niatrika ny matso tao Toamasina koa Rtoa Sahara Georget Rabearisoa filohan’ny antoko Maitso Hasin’i Madagasikara izay nankalaza ny roa taona nijoroany ny sabotsy teo.

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT