Actualités

Matimaty foana i Valimbavaka Nahoana no tsy atao fanadihadiana ireo miaramila ?


  • Talata 09 Novambra 2021

Toy ny matimaty foana tahaka ny valala nosamborim-boka hatreto I Nasandratra Valimbavaka Rambolamendrika na “Mota”, tovolahikely vao 15 taona,

maty tamin’ny fomba hafahafa teny amin’ny BANI Ivato ny volana jona 2021 lasa teo. Nanao hetsika teny amin’ny Fitsarana Anosy noho izany ny Fianakaviany omaly 08 novambra 2021, mangataka ny hamoahana ny fahazoan-dàlana manenjika na “Autorisation de poursuite judiciaire” ho an’ireo miaramila heverin’izy ireo fa nahavanon-doza nahafaty an’I Valimbavaka. Araka ny nambaran’i Natacha anabavin’ny maty, nisy fikambanana nanantona azy ireo, nilaza fa vonona hanampy, nilaza fa tsy aleo ve atao raharaham-pihavanana. Nanakivy fa hoe: dosienareo io raha hiakatra dia “non-classé”. Notambazana hoe 16 tapitrisa Ar, saingy nanamafy izy ireo tsy mila raharaham-pihavanana, fa raharaha miakatra no tadiaviny, hoy ny fanamafisana. Nambara izy ireo fa afaka hafindra toerana ireo nahiana ho namono,... Nasaina nanao fanambarana, fa tsy ny miaramilan’ny BANI no namono azy. Ny namany mpanao baolina ihany koa, dia nilaza fa nosamborin’ny miaramila, notaritarihina, rehefa nanontaniana tao amin’ny BANI dia hoe: tsy misy an’izany ato. Nisy manamboninahitra iray nanontaniana, ka nilaza io hoe: “Ity zaza ity tratry ny fitsaram-bahoaka tato anatin’ny “camp” fa nangalatra bisikileta, ka andao ho any amin’ny Birao hiresaka isika”, hoy ny anabaviny. Nolazaina fa naratra mafy, ary efa nalefa any amin’ny HJRA tao amin’ny Sampana vonjy aina, kanefa rehefa nojerena tao dia nilaza fa tsy misy zaza tsy ampy taona maratra izany aty, ary nanantona ilay mpitsabo ny miaramila hoe ilay razana nateriko iny”, hoy ny fitantaran’ny havany. Tany amin’ny tranom-paty noho izany no hita ny fatiny. Roalahy izy ireo no voalaza fa no tratra tao amin’ny BANI, fa ny iray tafatsoaka, ary io no voalaza fa nitantara fa novonoina izy ireo ary norahonana tsy hitantara ny nanjo azy, saingy notorian’ny BANI ho nanala baraka indray, hoy ny fitantarana. Tsy afaka henjehina kosa ny miaramila ahiana ho nanao ny herisetra, raha tsy mivoaka ny “Autorisation de Poursuite judiciaire” avy amin’ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena. Tsy midika fa efa meloka saingy nahoana no tonga dia misy ny endrika sakana tsy ahafaha-manadihady ireo miaramila ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT