Actualités

Matihanina amin’ny fitehirizam-panafody “Manatanteraka asa any ambanivohitra ny 95%”


  • Alakamisy 18 Novambra 2021

Nanomana ny zaikabe nasionaliny tetsy amin’ny PK 00 Analakely omaly ny “Groupement professionnel dépositaire de médicament”

 na ny vondron’ireo matihanina amin’ny fitehirizam-panafody eto Madagasikara. Nisy omaly ny fampiofanana ny avy eo anivon’ny fitantanana isam-paritra ny hetra na DRIP sy ny eo anivon’ny CNAPS momba izany. Hitohy anio amin’ny fakan-kevitra ho an’ny rehetra izany, hoy ny fanazavan’ny filohan’ity vondrona ity, Nandrianina Razafimanantsoa. Fametrahana amin’ny toerana ity sehatra ity no voizina ao anatin’izany, hoy izy. Manodidina ny 1700 isa eo ireo mpikambana ao anatin’ity vondrona izay manatanteraka ny ankamaroan’ny asany any amin’ny tontolo ambanivohitra ity. Ny 95%n’izy ireo no manatanteraka izany any ambanivohitra. Mikasika ny lalana 003 – 2021/PL izay natolotry ny depiote Voninahitsy Jean Eugene dia tena isaoranay azy. Misy ny fiarovana ny zo fototry ny atao hoe fitehirizam-panafody izay misehatra amin’ny fanomezana fahasalamam-bahoaka ho an’ny vahoaka Malagasy manerana an’I Madagasikara anatin’izy iny. Mandalo ambaratonga maro sy fitsirihana maro ny fametrahana izany “dépot de médicament” izany, hoy hatrany izy ireo, ka aoka tsy ho ailikilika.
J. Mirija
Legende: Nandrianina Razafimanantsoa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT