Tao amin’ny pejy manokany ao amin’ny tambajotran-tserasera no nanambaran’i Mathyas Randriamamy,
mpiandry tsatokazon’ny Barean’i Madagasikara, milalao ao amin’ny Paris Saint-Gérmain any Frantsa omaly alina tamin’ny 9ora mahery kely aty amintsika, fa voan’ny valanaretina coronavirus izy. “Miarahaba, izao misy zavatra tiko tenenina aminareo, malaelo aho milaza aminareo fa andro vitsivitsy izay dia “positif amin’ny Covid-19 aho. Misaotra an'Andriamanitra fa salama tsara izaho sy ny fianankaviako ary manao fitokanana manokana aty trano aho”, hoy izy. “Aleoko izaho no milaza aminareo mba tsy ho any amin’ny olon-kafa no hahenoanareo azy, hoy ity mpilalaon’ny Barea vao erotrerony ity. Aza matahotra fa salama tsara aho, samy mitandrina tena tsika rehetra, hoy hatrany I Mathyas Randriamamy. Mirary fahasalamana feno ho azy isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.