Actualités

Masoivoho senegaley Nanakatom-baravarana tanteraka


  • Zoma 23 Martsa 2012

Handao tanteraka an’i Madagasikara amin’ny herinandro ambony io ary dia natao veloma ny ambasadaoron’i Sonegaly, niasa sy nonina teto Madagasikara, César Coly.

 Enin-taona niasana teto Madagasikara izy, ary izy rahateo no dipalomaty nisantatra ny fisokafan’ny masovohon’i Sonegaly teto. Nisy ny lanonana fankasitrahana ny asa vitany tamin’ny fanamafisana sy fampiroboroboana ny fiaraha-miasan’ny tany roa tonta, izay mifamatotra ara-tantara rahateo, samy zanatany frantsay. Notolorana mari-boninahitra “Commandeur de l’ordre national Malagasy” i César Coly ho marik’izany, lanonana natao tao amin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny etsy Anosy omaly. Tsy hisy mpisolo izy, satria dia hikatona manaraka azy ny Masoivoho senegaley eto Madagasikara. Tsiahivina fa anisan’ny nampiantrano ny dinika fanelanelanana hamahana ny krizy tamin’ny taona 2009, nialoha ny Maputo ny Masoivohon’i Sonegaly etsy Ambohibao.
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT