Actualités

Masoivoho Rosianina eto Madagasikara Miezaka mamafa ny fanaratsiana ataon’ny Tandrefana


  • Talata 01 Martsa 2022

Namoaka fampitam-baovao ny Masoivohon’ny Federasionina Russie eto Madagasikara Andrey Andreev omaly, fa nisy ny fihaonany tamin’ny Minisitry ny raharaham-bahiny sady Lehiben’ny Diplaomasia Malagasy Patrick Rajoelina.

 Fotoana nitondran’io Ambasadaoro io fanazavana sy nisintonana ny saina eo anatrehan’ny ambarany fa fanelezana sy fivoizana fankahalana ny Rosianina ataon’ny Firenena Tandrefana manoloana ny toe-draharaha any Ukraine, araka ny fampitam-baovaony. « Nitondra ny fanazavana amin’ny antsipirihany momba ny hetsika ara-miaramila manokana mba hiarovana ny Repoblika entim-bahoakan’i Donbass (RPD), Repoblika entim-bahoakan’i Lougansk (RPL) ny tenako», hoy io diplaomaty io. Tetsy andaniny, nisy ihany koa moa ilay fangatahana nataon’ireo masoivohon’ny Firenena Tandrefana sy Etazonia niaraka tamin’ny mpiara-dia aminy mba hanamelohan’i Madagasikara ampahibemaso ny fanafihan’ny Rosianina any Ukraine. Sarotra noho izany ny fandidiana ho an’i Madagasikara satria samy nanao pimaso na ny Tandrefana na ny Rosianina. Maro ihany koa anefa ny toe-javatra mila fanazavana momba ny fifandraisantsika amin’ny firenena vahiny, toa an’i Russie. Mbola manjavozavo tanteraka ny dian’ny Minisitry ny fiarovam-pirenena tany an-toerana ny fiandohan’ny taona teo. Etsy andaniny ihany koa, tsy afaka ny hanome lamosina ny Tandrefana i Madagasikara hatreto, raha jerena amin’ny lafiny politika sy ny jeopolitika. Hijoro ho tsy miandany sa hizotra amina fijery hafa ny Fanjakana Malagasy? Ny mety ho latsa-bato eo anivon’ny Firenena Mikambana no mety hamaritra sy hamaly ny valin’izay fanontaniana izay, ankoatra ny fanambarana ofisialy, raha hanao an’izay ny Fanjakana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT