Tsy mahavita ny asa andrasana aminy ny ministeran’ny raharaham-bahiny Malagasy. Ny masoivoho Malagasy ao Alger, renivohitr’i Alzeria izao no efa niharan’ny herisetra nanimban-javatra toy ny fanaka sy fiara nefa tsy misy ny fandraisana andraikitra.
Vehivavy teratany Alzerianina izay mpiasan’ny masoivohontsika ihany no nanao ilay fanimbana entana tao amin’ny tokotanin’ity masoivoho ity. Ny androtry ny alakamisy lasa teo no niseho io raharaha io araka ny tati-baovao avy amin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny nefa tsy mbola nahazo tatitra ofisialy avy any Alger ry zareo ny sabotsy hariva tamin’ny 5 ora teo araka ny nambaran’ny Sekretera jeneralin’ny Ministeran’ny raharaham-bahiny, Randrianarivony Modeste. Tsy fahaiza-miasa na tsy to teny amin’ireo olona ambany fifehezany ny Minisitry ny raharaham-bahiny Malagasy ? Mahagaga ihany mantsy raha roa andro aorian’ny fanaovana tsinontsinona ny fananan’ny masoivoho dia tsy mahazo tatitra ofisialy ny departemanta tantaniny. Ny masoivoho anefa no fiandrianan’ny firenena any ivelany any.
Mbola mahatalanjona koa ny fampiasan’ny masoivohontsika teratany Alzerianina. Nilaza moa ny Sekretera jeneralin’ny Ministera fa efa niasa tao an-toerana io olona io nialoha ny nandraisan’izy ireo ny fitantanana ity departemanta ity. Tsy vitan’izay fa mbola mipetraka amin’ny tranon’ny masoivoho koa ilay ramatoa. Tsy misy antony manakana ny fanjakana nanafoana ny fifanaraham-piaraha-miasa taminy anefa raha tena tomponandraikitra ny mpitondra Malagasy. Misy rahateo ny lalàna iraisam-pirenena “convention de Vienne” sy ny «principe d’exterritorialité» izay mandrara ny fipetrahan’olom-pirenena hafa amin’ny faritry ny masoivoho. Sa kosa tsy fahaizana ny lalàna mihitsy no fototry ny olana ?
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.