Hisy ny sidina manokana hiala eto Antananarivo hihazo an’i La Réunion ho fampodiana ireo teratany Frantsay amin’ny 27 novambra izao.
Ny Masoivoho Frantsay no mikarakara an’io ho fampodiany ny terataniny, ary tsy ireo ihany, fa eo ihany koa ireo tsy Frantsay monina atsy Mayotte na La Reunion. Ny Air Madagascar no hanatanteraka ny fitaterana, ary ny Agence de voyage BCD Travel kosa no hivarotra ny tapakila. Mitovy amin’ny fepetra tamin’ny fampodiana mahazatra ihany ny fepetra amin’ity indray mitoraka ity: fanamarinana fa tsy voan’ny covid-19 ao anatin’ny 72ora mialohan’ny fiaingana. Hisy ny fakana singa hatao fitiliana manomboka anio ho an’ireo mpandeha, ka eny amin’ny Espace Médical eny Ambodivona no hanaovana izany. Takiana ny taratasy ara-dalàna momba ny fisoratana anarana sy ny fiantranoana ho an’ireo mpianatra handeha hanohy fianarana,…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.