Trano an-jatony no ravan’ny afoTrano an-jatony no ravaravan’ny afo nanomboka omaly tamin’ny 4 ora sy 15 minitra tany amin’ny faritra Masindrano Mananjary.
Raha tsiahivina kely dia tanàna akaikin’ny tora-pasika i Masindrano ka mahery ny rivotra. Manampy trotraka ny hafanana be any an-toerana izay fantatra fa tena nahazo vahana tokoa. Anisan’ny antony nampihitatra ny afo izany raha mbola tsy fantatra kosa izay tena niandohany.An’arivony ireo tsy manan-kialofana vokatr’izany ka zaza amam-behivavy ny ankamaroany. Anio kosa vao ho fantatra ny antsipirihan’ny faharavana. Tsiahivina moa fa naharitra ora maro vao maty ny afo. Niezaka nanampy ny mpitandro ny filaminana sy ny mpamonjy voina nandritra izany ny fokonolona.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.