Marozevo - Moramanga

> Mpitandro filaminana nandroba 10 tapitrisa Ariary


  • Talata 15 Oktobra 2013


Hanomboka hanetsika ny raharaha mahakasika ny fanafihana nataona mpitandro filaminana dimy lahy azy tao an-tokantranony tao Ambohimiadana-Marozevo Distrikan’i Moramanga, ny alin’ny 1 aogositra 2013 teo, Rajaonarison Ntsoa Bernard ankehitriny. Ny fitsaboan-tena nataony tamina hopitaly lehibe iray teto an-drenivohitra noho ny ratra ara-batana sy ara-tsaina nahazo azy no anton’ny tsy mbola nihetsehan’ity raharaha ity, raha ny fanamarihana azo. Izao ny lehilahy efa afaka manarin-tena ka niroso amin’ny fametrahana fitoriana. Fidirana an-keriny nandrobana volam-barotra nitentina 10 tapitrisa Ariary tao amin’ity mpandraharaha ity tamin’io alina voalaza io no vesatra niampangany an’ireo mpitandro filaminana ireo izay nolazainy mazava fa fantany tsara ny roa tamin’izy ireo. Mijoro vavolombelona amin’ny raharaha moa ireo Fokonolona mpiara-monina amin’ny niharam-boina ka mangataka fiarovana manokana noho ny fandrahonana sy hoe valifaty noho izay fijoroana vavolombelona izay.

 

Sammy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT